From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Nosy Marsaly na ny Repoblikan' ny Nosy Marsaly, dia vondronosy sy fanjakana ao Mikrônezia, any Ôseania. Ity vondronosy ity dia any atsimo-andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika Avaratra, any atsinanan' ireo Nosy Carolines, any avaratra-avaratra-andrefan' ny vondro-nosy Gilbert, atsimo sy atsimo-atsimo-atsinanan' i Wake ary atsinanana-atsimo-atsinanan' i Marianas Avaratra. Foronina nosin' afotroa sy nosikelin-karan-dranomasina izy. Nanjary fantatra eran-tany izy amin’ ny maha toeram-panandramana noklearin’ i Etazonia izy (ana habakabaka sy an-tanety) tamin' ny taompolo 1950 sy 1960. Nekena tamin' ny fomba ôfisialy ny fahaleovantenany avy amin' i Etazonia tamin' ny taona 1990.
Atao amin' ny teny marsaley izy dia atao hoe Aleōn in M̧ajeļ, M̧ajeļ sy Aolepān Aorōkin M̧ajeļ; fa amin' ny teny anglisy kosa dia atao hoe Marshall Islands sy Republic of the Marshall Islands.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.