From Wikipedia, the free encyclopedia
I Maimônida na Maimônidesy na Moshe ben Maimon na Mosesy Maimônida dia filôzôfa jiosy sy dokotera sy mpandinika nanana ny maha izy azy ao amin' ny jodaisma tamin' ny Andro Antenatenany tao Espaina, izay teraka tamin' ny 30 Marsa 1138 ary maty tamin' ny 12/13 Desambra 1204 tao Kahira ao Egipta. Anarany amin' ny teny hebreo ny hoe משה בן מימון / Moshe ben Maimon. Atao amin' ny teny arabo hoe أبو عمران موسى بن ميمون بن عبد الله القرطبي اليهودي / Abu Imran Musa ibn Maimun I ibn Abdallah al-Kurtubi al-Yahudi izy. Nataony amin' ny fiteny arabo sy hebreo ny asasorany. Rehefa nanomboka ny fanenjehan' ny Mozilmana ny Jiosy sy ny Kristiana dia nanapa-kevitra ny hifindra monina any Fez na Fès tamin' ny taona 1160 ny fianakavian' i Maimônida, avy eo nifindra tany Palestina tamin' ny taona 1165 alohan' ny hanorenany fonenany ao Kahira any Egipta. Taty aoriana i Maimônida dia tonga raby lehibe sy mpitsabo tao an-dapan' ny soltàna Saladin I (arabo: صلاح الدين يوسف / Ṣalāḥ ad-Dīn Yūsuf).
Mosesy Maimonida | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Mosesy Maimonida | ||
Teraka | 1 Janoary 1138 | ||
Maty | 12 Desambra 1204 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Espaina | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Maimon ben Yossef HaDayan no rainy. Ny zanany dia i Abraham ben Moses ben Maimon.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.