Ny metôdisma dia firehana prôtestanta, vokatry ny fivakisana avy amin' ny Fiangonana anglikana, izay ivondronan' ny Fiangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin' ny toritenin' i John Wesley tamin' ny taonjato faha-18. Amin' izao fotoana izao dia mahatratra any amin' ny 80 000 000 any ho any ny isan' ny mpino metôdista[1]. Ara-tantara dia ny metôdisma no nampiely indrindra ny Fifohazam-panahy lehibe.

Thumb
I John Wesley, nataon'i George Romney

Ny metôdisma dia fihetsiketsehana prôtestanta eran-tany izay nipoitra avy tamina vondrona mpianatra tao amin' ny Oniversiten' i Oxford niorina tamin' ny taona 1729 ka ny mpikambana tao amin' izany vondrona izany dia nivory mba hiara-mivavaka sy handinika ny Baiboly. Ny fahamatorana nananan' ireo mpikambana tao amin' ny Holy Club ("Fikambanan' ny Olomasina") tamin' ny fanatanterahany ny adidiny amin' ny maha Kristiana azy no nanomezan' ireo namany azy ny anaram-bosotra hoe Methodists ("mpanaraka fomba fiasa maty paika").

Jereo koa:

Loharano

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.