Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Mazandarany na Mazendarany izay atao hoe Tabary na Mazany koa, dia vahoaka iraniana tompontany monina ao amin' ny faritr' i Kaspiana any Iràna. Ao amin' ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana no onenan' izy ireo, ao amin' ny faritra anisan' ny manan-tantara antsoina hoe Tabaristan. Sisin-tany atsimo amin' ny faritra onenan' ny Mazanderany ny tendrombohitra Alborz. Atao hoe مازرونیون / Mazanderani na طبریون / Mazanderani na تپورون / Tabari izy ireo amin' ny fiteny mazandarany.
Eo anelanelan' ny telo sy efatra tapitrisa ny isan' ny Mazanderany (tombana tamin' ny taona 2006). Miisa 4 480 000 izy ireo tamin' ny taona 2019. Ny silamo siista no fivavahan' ny maro amin' izy ireo.
Manana fiaviana amin' ny Tabary (Tabari) ny Mazandarany, ary miteny ny fiteny tabary na mazendrarany. Avy any amin' ny Tapory (Tapuri)[1] sy ny Amardy (Amardi)[2] ny fiaviany. Nantsoina hoe Tapuria na Tapurestan ("tanin' ny Tapory") ny tanin' izy ireo. Monina any amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' ny Ranomasina Kaspiana ny ankamaroan' ny Mazanderany.
Monina amin' ny morontsiraka sy amin' ny tapany amin' ny faritra natsoina hoe Tabaristan izy ireo. Ny tendrombohitra Alborz no efi-tany atsimon' ny Mazandarany. Manaraka ny fivavahana silamo siita ny ankamaroan' izy ireo. Ny miompy sy ny manjono no anton-draharahan' ny ankamaroan' izy ireo. Manam-pifandraisana akaiky amin' ny Gilaky sy amin' ny vahoaka kaokaziana (Jeôrjiana sy Armeniana ary Azerbaijany) ny Mazandarany.
Ny fiteny mazandarany, izay atao hoe fiteny mazany na tabary na geleky, dia fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana avaratra-andrefana, tetenina ao Iràna ao amin' ny faritanin' i Mazanderan. Mitovitovy amin' ny fiteny gilaky ny fiteny mazandarany, indrindra raha ny voambolana no heverina. Nisy 3 000 000 eo ho eo ny mpiteny mazandarany manao azy ho fiteny nibeazana tamin' ny taona 1993.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.