Mandrare

From Wikipedia, the free encyclopedia

Mandrare

I Mandrare dia onin' Madagasikara ao amin' ny faritra Anosy, ao amin' ny faritanin' i Toliara, izay mivarina any amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao akaikin' Amboasary Atsimo. Maina i Mandrare amin' ny volana sasany ao amin' ny taona. I Manambovo sy i Mananara ary Ikonda no renirano manompo azy.

Thumb
Thumb

Tamin' ny taona 1957, teo akaikin' Amboasary Atsimo dia nisy tetezana vy mirefy 414 m, izay novolavolain' ny Anciens Etablissements Eiffel.

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.