From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Liona dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 10 Aogositra hatramin' ny 16 Septambra. Ny antokon-kintan' ny Foza no eo andrefany fa ny an' ny Virijiny kosa no eo antsinanany.
Avy amin' ny teny arabo dia atao hoe اأسد / Al-Asad ("liona") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy volana malagasy hoe Alahasaty na Alahasady.
Io antokon-kintana io dia atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Leo sy amin' ny teny frantsay hoe Lion. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Λέων / Leon. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Asadi na Simba io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Asad na Singa ihany koa izy.
Ny evan' ny zôdiaka Liona, izay mitovy anarana aminy, ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Jolay hatramin' ny 22 Aogositra.
Antokon-kintan' ny zôdiaka:
Evan' ny zôdiaka:
Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.