From Wikipedia, the free encyclopedia
I Libertalia na Libertatia dia repoblikan-jiolahin-tsambo mankasitraka ny fanafoanana ny fanandevozana sady mikatsaka ny fitovian-jo sy ny fandriam-pahalemana, izay voalaza fa niorina na tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17 tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18 tany amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, teo ambany fitarihan' ny kapiteny James Misson (fanampin' anarana indraindray soratana hoe "Mission", ary anarana indraindray soratana hoe "Olivier"), izay mety ho nisy nandritra ny dimy amby roapolo taona teo ho eo, nefa tsy tena fantatra na zava-misy marina na angano satria tsy misy zavatra sisa hanamarinana izany.
Ny tantaran' ity zanatany ity dia niseho voalohany tao amin' ny A General History of the Pyrate, nosoratan' ny kapiteny Charles Johnson (mety ho solon' ny anarana hoe Daniel Defoe). "Pro deo et liberate" ("Ho an' Andriamanitra sy ho an' ny fahafahana") no teny filamatra nataon' ireo lehilahy ireo, izay nalamina ho repoblika.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.