From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kanto na hakanto dia toetran' ny zavatra iray izay mahatonga azy ireo ho mahafinaritra. Toetra mifandray amin' ny lafiny maro amin' ny fiainan' ny olombelona izany. Halalinina indrindra amin' ny taranja filôzôfikan' ny estetika io voan-kevitra io, nefa resahina amin' ny ampahany ihany koa ao amin' ny taranja hafa izany (tantara, sôsiôlôjia, psikôlôjia, zavakanto). Ny kanto dia faritana matetika ho toetran' ny zavatra iray izay manome fahafinaretana na fahafaham-po, amin' ny alalan' ny fahatsapana (fandrenesana) na traikefa ara-tsaina; noho izany dia avy amin' ny fisehoana toy ny endrika, ny seho hita maso, ny hetsika ary ny feo ny kanto.
Miovaova arakaraka ny fotoana sy ny olona tsirairay ny fanavahana ny kanto sy ny tsy kanto. Miovaova arakaraka ny mpandinika aza ny tiana holazaina amin' ny hoe fahatsapana hakanto, ary kolontsaina maro no tsy manana teny mifanitsy amin' ny hoe "kanto".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.