Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny estetika na filôzôfian' ny zavakanto dia sampan' ny filôzôfia izay ny mifantoka amin' ny fahatsapana, ny fandrenesana, ny hakanto (eo amin' ny zavaboary na ny zavakanto), na izay mifandray amin' ny atao hoe zavakanto. Ny estetika dia nifanandrify amin' ny sehatra atao hoe "siansa momba ny hakanto" hatramin' ny taonjato faha-18, ary lasa filôzôfian' ny zavakanto nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Ny estetika, ohatra, dia mahakasika sy mifandray amin' ny fihetseham-po ateraky ny zava-kanto (na fihetsika, zavatra), amin' ny fitsarana ilay zava-kanto, amin' izay zavatra manokana na tokana tsy manan-tsahala ao amin' ny fomba fanehoan-kevitra (zavakanto, literatiora, tononkalo, sns.), amin' izay azo faritana ho kanto (fa tsy voatery ho mahasoa sy ho azo ampiasaina).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.