Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kônfirmasiôna, ao amin' ny Fiangonana kristiana, dia fomba atao ampahibemaso manome fahafenoana ny fanomezan' ny Fanahy Masina amin' ny alalan' ny fanamafisana ny famantarana azo tamin' ny batisa (na batemy). Sakramenta ny kôfirmasiôna amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.
Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tanterahina avy hatrany aorian' ny batisa ny kônfirmasiôna, ary mbola toy izany no fanao ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa.
Amin' ny Fiangonana katôlika dia sakramenta ny kônfirmasiôna. Ankehitriny dia heverina ao amin' ny Fiangonana katôlika ho manome hery hijoroana vavolombelona sy mahatonga ny Kristiana ho tonga olon-dehibe ny kônfirmasiôna. Ao amin' ny Fiangonana katôlika hatramin' ny Andro Antenatenany dia miovaova ny taon' ny olona atao kônfirmasiôna, ka eo anelanelan' ny 7 sy 15 taona izany. Hatramin' ny Kônsily Vatikàna II dia tanterahina amin' ny fotoana maha vanto-jeza ny kônfirmasiôna. Amin' ny Katôlika, amin' ny ankapobeny, dia tanterahina amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana (izay midika fampitana ny Fanahy Masina) sy fanosorana menaka (izay midika herin' Andriamanitra sy mahatonga ny Kristiana ho olom-boahosotra.
Ny Anglikana sy ny Prôtestanta dia tsy manao ny kônfirmasiôna ho sakramenta, ny batisa sy ny fanasan' ny Tompo (eokaristia) no sakramenta amin' izy ireo. Amin' ny Prôtestanta dia fiarovana ny finoana iantsoana ny tanora ny kônfirmasiôna mba hanamafisany ny fanekena natao tamin' ny batisa.
Ny sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.