Ny Trondro dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin'ny 11 Marsa hatramin' ny 18 Avrily. Ny antokon-kintan' ny Mpitondra Rano no eo andrefany fa ny an' ny Ondrilahy kosa no eo atsinanany.

Thumb
Antokon-kintan' ny Trondro

Avy amin' ny teny arabo dia atao hoe الحوت / Al-Hut ("trondro") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Alohotsy. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Pisces na amin' ny teny frantsay hoe Poissons. Amn' ny teny grika izy dia atao hoe Ιχθύες / Ikhthues (na Ikhthyes). Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Hutu na Samaki io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Hut na Ikan ihany koa izy

Ny evan'ny zôdiaka Trondro, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Febroary hatramin' ny 20 Marsa.

Thumb
Antokon-kintan' ny Hazandrano

Jereo koa

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.