I Georgiy Ruslanovich Gongadze dia mpanao gazety okrainiana-jeôrjiana. Ny fakana an-keriny sy ny famonoana azy tamin' ny Septambra 2000 dia niteraka raharaha ara-pôlitika sy ara-pitsarana fantatra amin' ny anarana hoe Касетний скандал / Kasetnii skandal ("Tantara manafintohin' ny kasety")[1]. Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe Георгій Русланович Ґонґадзе, fa amin' ny teny jeôrjiana kosa dia გიორგი ღონღაძე. Teraka tamin' ny 21 May 1969 izy ary maty tamin' ny 17 Septambra 2000. Ity raharaha Gongadze ity dia nitarika ny tsy fahatokisan' ny Okrainiana sasany tamin' ny fitondrana sy ny hetsi-panoherana Україна без Кучми / Ukrayina bez Kuchmy ("Okraina tsy misy an' i Kuchmy") ary avy eo ny Revôlisiôna Volombosary tamin' ny taona 2004.

Georgy Gongadze
Thumb
Ankapobeny
AnaranaGeorgy Gongadze
Teraka19 Mey 1971
Maty17 septambra 2000
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Okraina
Asa :
  • mpanao gazety zeorziana
  • mpanao gazety okrainiana
Fiainana manokana

Loharano sy fanamarihana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.