Ny fiteny ao Môzambika dia maro dia maro, izay ahitana fiteny banto maromaro izay fiteny teratany ao amin' io firenena io. Ny fiteny pôrtogey, izay nolovaina tamin’ ny fanjanahantany, no fiteny ôfisialy; i Môzambika dia mpikambana feno ao amin' ny Comunidade dos Países de Língua Portuguesa ("Fikambanan' ny Firenena Miteny Pôrtogey"). Ny Ethnologue dia nanisa fiteny 43 ampiasaina ao amin' io firenena io.

Thumb
Sarin-tany maneho ny fitenim-poko be mpampiasa ao Môzambika

Araka ny fanisam-bahoaka sy ny toeram-ponenana tamin' ny taona 2007 natan' ny Instituto Nacional de Estatística ("Ivontoeram-Pirenena momba ny Antontanisan' i Môzambika"), ny fiteny pôrtogey no fiteny be mpampiasa indrindra ao Môzambika: 50,4 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena (80,8 % amin' ny mponina any an-tanàn-dehibe ary 36,3 % amin' ireo mipetraka any ambanivohitra) no mahay tsara ilay fiteny.

Misy fiteny hafa koa ampiasaina, toy ny fiteny soahily, ny fiteny makoa, ny fiteny sena, ny fiteny ndao ary ny fiteny tsônga. Anisan' ny fiteny teratany ao Môzambika koa ny ny fiteny lômoe, ny fiteny makônde, ny fiteny tsôpy, ny fiteny soabo, ny fiteny rônga, ny fiteny moany, ny fiteny zolo, ary ny fiteny tsoà.

Ny Arabo sy ny Sinoa ary ny Indiana izay samy vitsy anisa dia miteny amin' ny fiteniny manokana avy (fiteny arabo sy fiteny sinoa ary fiteny gojaraty, fiteny penjaby, fiteny hindy) ankoatra ny fiteny pôrtogey izay ataony fiteny faharoa. Ny fiteny anglisy dia fantatry ny ampahany amin' ny avara-pianarana.

Lisitry ny fiteny ao Môzambika

Inty ny lisitry ny fiteny ao Môzambika:

  • fiteny balky (Cibalke)
  • fiteny dema (Cidema)
  • fiteny fimby (Ciphimbi) (fiteny nsenga)
  • fiteny iaô (Ciyao)
  • fiteny kôkôla (Ekokola)
  • fiteny konda (Cikunda)
  • fiteny kôty (Ekoti)
  • fiteny lôlô (Elolo)
  • fiteny lômoe (Elomwe)
  • fiteny maindô (Emaindo)
  • fiteny makoa (Emakhuwa)
  • fiteny makoe (Kimakwe)
  • fiteny makônde (Shimakonde)
  • fiteny maniaoa (Emanyawa)
  • fiteny manika (Emanyika)
  • fiteny marenje (Emarenje)
  • fiteny marevôny (Emarevoni)
  • fiteny meetô (Emeetto)
  • fiteny moany (Kimwani) (akaiky ny fiteny soahily)
  • fiteny môniga (Emoniga)
  • fiteny natembô (Enathembo)
  • fiteny ndao (Cindau)
  • fiteny ngony (Xingoni, Cingoni) (fitenim-paritry ny fiteny nianja)
  • fiteny nianja (cinyanja)
  • fiteny niongoe (Cinyungwe)
  • fiteny nsenga (Cinsenga)
  • fiteny pôrtogey
  • fiteny rônga (Xirhonga)
  • fiteny saaka (Esaaka)
  • fiteny sena (CiSena)
  • fiteny sirima (Echirima)
  • fiteny soabô (Echuwabo)
  • fiteny soahily (Kiswahili)
  • fiteny soazy na soaty (Siswati)
  • fiteny sôpy (Cicopi)
  • fiteny takoany (Etakwane)
  • fiteny taoara (Citawara) (fiteny sôna)
  • fiteny teoe (Citewe) (fitenim-paritra manika)
  • fiteny tônga (Guitonga)
  • fiteny tsoà (Citshwa na Xitswa)
  • fiteny tsônga (anisany ny fiteny rônga (ronga), fiteny sangana (changana) ny fiteny tsoà (tswa)
  • fiteny zolo (Isizulu)

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.