Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny môngôlika dia fianakaviam-piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Matetika dia ampifanakaikezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika izy ireo nefa tsy miombon-kevitra ny amin' izany ny mpahay teny maro. Anisan' ny fiteny môngôlika ny fiteny môngôly (na môngôliana) izay tetenina ao Môngôlia sy ao Môngôlia Anatiny.
Fiteny hafa ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika ny fiteny oirata tetenina ao amin' ny tapany avaratra andrefan' i Sina, izay atao hoe fiteny kamika na fiteny kalmoka na fiteny kalmokia ao Rosia, ny fiteny boriata ao Boriatia any Rosia sy any avaratr' i Môngôlia sy Môngôlia Anatiny, ny fiteny môgôly tany Afganistàna.
Tsy mifanaraka ny mpahay teny momba ny fanasokajiana ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika. Ity omena eto ity dia ny nataon' i Janhunen (2006), afa-tsy ny fiteny môngôlika atsimo izay nataon' i Nugteren (2011).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.