Ny fiteny abkazo-adigiana na fiteny kaokaziana andrefana dia iray amin' ny fianakaviam-piteny ao amin' ny vondrom-piteny kaokaziana, miaraka amin' ny fianakaviam-piteny kartaveliana sy ny fianakaviam-piteny nako-dagestaniana. Ny faritra niavian' ireo fiteny ireo dia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Kaokazy. Hatramin' ny taonjato faha-19 dia namorona vahoaka am-pielezana any Torkia sy any Israely sy any Jordania ary any Siria ny fifidrà-mionin' ny mponina maro. Ity fianakaviam-piteny ity dia ahitana ny fiteny abkaza, ny fiteny abaza, ny fiteny obika, ny fiteny tserkesa, ny fiteny kabarda (na karbadiana), ny fiteny besleney (na besney) ary ny fiteny adigeana.
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.