Fahotana tamin' ny fototra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fahotana tamin' ny fototra, araka ny teôlôjia kristiana, dia ny fahadisoana voalohany nataon' ny olombelona ka niteraka ny fahalavoany, dia ny fahotan' i Adama sy Eva niseho tao amin' ny saha Edena, izay nanimba ny toetran' ny taranak' olombelona rehetra ka mitarika azy amin' ny ratsy mandrakariva. Atao hoe "fahotana voalohany" na "fahotan' i Adama" koa izany. Manondro ny fandikana ny didin' Andriamanitra nataon' i Adama sy Eva, araka ny fitantarana ao amin' ny Bokin' ny Jenezy (Jen. 2-3), tamin' ny nihinanan' izy ireo ny voan' ilay "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy". Ny fahafatesana no vokatr' izany fahotana izany.

Tsy hita ao amin' ny Baiboly ny teny hoe "fahotana tamin' ny fototra" nefa ny fampianarana momba izany dia ankinina amin' izay voasoratra ao amin' ny Baiboly, toy ny hita ao amin' ny Bokin' ny Jenezy (Jen. 2.16-17)[1], ny Bokin' ny Salamo (Sal. 51), ny Epistilin' i Paoly (Rômana 5.12-21; 1Kôrintiana 15.22[2]), ny Epistilin' i Joany (1Joany 5.9[3]) ary ny Evanjelin' i Lioka (Lio 11.13[4]). Ao ambadik' io fampianaran' ny Testamenta Vaovao io dia misy ny fomba fijerin' ny soratra apôkaliptika jiosy.
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.