From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epistily ho an' ny Hebreo na Epistola ho an' ny Hebrio na Taratasy ho an' ny Hebrio dia boky hita ao ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ny atao hoe epistily. Taratasy nalefa ho an' ny Jiosy kristiana na Jody kristiana izy io. Misy toko 13 ity boky ity.
Επιστολή προς Εβραίους / Epistolê pros Ebraious no fiantsoana azy amin'ny teny grika fa Epistula ad Hebraeos kosa amin' ny teny latina.
Raha ny lovantsofina hatramin' izay no nilaza fa i Paoly no nanoratra ity epistily ity, ny mpikaroka amin' izao fotoana izao dia mitsipaka izany. Tsy fantatra marina ny olona nanoratra io taratasy io na dia heverina ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 no nanoratana azy.
Ny Taratasy ho an' ny Hebreo dia anambaràn' ilay nanoratra azy fa lehibe noho ny anjely rehetra i Jesoa Kristy (Heb. 1:5-14), lehibe noho ny mpaminany rehetra hatramin' i Mosesy (na Môizy) izy (Heb. 2:1 - 4:14). I Jesosy no ilay Mpisorona fanaperana noho izy tsy nanota na indray mandeha aza, sy noho ny nanolorany ny ainy izay sorona tongalafatra hanesorana ny fahotana rehetra (Heb. 9:23-10:18). Ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin' ny maty no nanokafany ny lalana hizoran' ny olona mankany amin' Andriamanitra (Heb. 4:14-5:10; 7:1-8:13). Manantitra ny maha zava-dehibe ny finoana ity taratasy ity ka milaza fa tanteraka amin' ny alalan' ny finoana ny zavatra rehetra omen' i Jesoa. Io finoana io no mahatonga ny mpanaraka an' i Jesosy hatoky ny zavatra antenainy na dia tsy hita maso aza. Midera ny finoan' ny olona tany aloha an' Andriamanitra ny mpanoratra (Heb. 11:1-40) sady mamporisika ny mpanaraka an' i Kristy amin' izao fotoana izao amin' ny fifanalana hazakazaka ataon' izy ireo (Heb. 12:1-3).
Azo zaraina telo ny epistily:
"Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra" (Heb. 11:35, Ny Baiboly)
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.