Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Empira Safavida no natanjaka indrindra tamin' ny Empira Iraniana izay niorina taorian' ny fakan' ny Miozolmàna an' i Persia. Tao Ardabila ny Safavida no nanapaka ny ampahany lehibe tamin' i Persia sady nanamafy ny maha faritra persiana izany faritra izany, ka izy ireo no fianakavia-mpanjaka teratany persiana voalohany hatramin' ny Empira Sasanida ka niezaka nampiray ny fanjakana persiana.
Niroborobo ny haisoratra sy ny zavakanto ary ny maritrano tamin' ny andron' ny Safavida, ary matetika dia lazaina fa izany dia "faharetahan' ny Empira persiana fanindroany". Nataon' ny Safavida fivavaham-panjakana ny finoana silamo siita, tsy tahaka ny tao amin' ny Empira Ôtômàna izay nanao ny finoana silamo sonita ho fivavaham-panjakana. Ny Empira Safavida no fanjakana silamo iraniana voalohany izay nitovy lenta tamin' ny Ôtômana sy ny Mamelòka.
Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.