I Debôrà dia mpaminanivavy izay nitsara ny Zanak' i Israely tanatin' ny 40 taona sady anisan' ireo atao hoe mpitsara lehibe araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 4-5) ao amin' ny Baiboly. Nandimby an' i Samgara izy sady nodimbasan' i Gideôna. Atao hoe דְּבוֹרָה / Dəḇōrāh izy amin' ny teny hebreo, izay azo adika hoe "renitantely".
Nikambana tamin' i Debôrà, izay avy any amin' ny tendrombohitr' i Efraima, i Baraka avy any Kadesy any Naftaly raha nahita ny fandrahonana nataon' i Sisera avy any Haroseta ha-Gôima. (I Sisera dia mety ho mpitari-tafik' ireo Vahoakan' ny Ranomasina). Nandresy ny tafik' i Sisera izy ireo teo akaikin' ny ony Kisona, noho ny firotsahan' ny oram-batravatra izay nahatonga ny fiaran' ireo fahavalo ho rendrika. Izany no ady tao amin' ny ranon' i Megidô.
Jereo koa
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.