From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Jeremia dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana izay mitantara ny fotoana mahatsiravina taloha kelin' ny hadravan' ny Babilôniana ny Fanjakan' i Jodà sy ny nahatanterahan' izany noho ny tsy fanajan' ny mpanjakan' i Jodà an' Andriamanitra. Betsaka ny Jiosy natao sesitany nefa nisy ihany koa ireo nijanona tao Palestina teo ambany fanaraha-mason' ny solonten' i Babilôna.
Tsy voasoratra mitohy indray mandeha ny Bokin' i Jeremia manontolo. Misy amin’ ny mpikaroka ny mihevitra fa tsy i Jeremia irery no nanoratra fa tao koa ny lahatsoratra maro natovan' ny mpandahatra deoterônômista taty aorian' ny Fahababoana. Porofon' izany ny fomba fanoratra ao amin' ny boky izay mitovy amin' ny fomba fanoratra tamin' ny taonjato faha-7 sy tamin' ny fanombohan' ny faha-6 tal. J.K. Nefa ny teôlôjian' i Jeremia mpaminany no tena manjaka ao. Somary mikorontana ny fonoratana ny boky (fotoana, lohahevitra). Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoan' ny faminaniana izany fa matetika nalahatra araka ny lohahevitra izay miverimberina.
Miseho amin' ny endrika roa ny Bokin' i Jeremia, dia ny boky amin' ny fiteny grika (hita ao amin' ny Septanta) izay fohy kokoa sy ny amin' ny fiteny hebreo (hita ao amin' ny Volgata) izay lava kokoa.
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe ספר יִרְמְיָהוּ / Sefer Yirmeyāhū ny Bokin' i Jeremia. Ao amin' ny Septoajinta amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἱερεμίας / Hieremías.
Ao amin' ny Bokin' i Jeremia dia manambara hatrany ny hafatr' Andriamanitra ny mpaminany Jeremia ny amin' ny hamaizany an' i Jodà nefa tsy nihaino azy ny mpitondra tao. Nampahatsiahy i Jeremia fa nanapaka ny fanekena ny amin' ny hanompoana an' Andriamanitra i Jodà; ka ny setrin' izany dia famaizana azy amin' ny alalan’ ny famelana ny Babilôniana hanafika sy haka an’ i Jerosalema. Tsy i Jodà ihany anefa no hofaizin’ Andriamanitra fa ny firenena izay nifandimby niady sy nampijaly ny vahoakany koa. Tetsy an-kilany anefa dia nampanantena Andriamanitra fa hitondra ny vahoakany hiverina any an-tanindrazany indray andro any, ka amin' izany andro izany izy dia hanao "Fanekena vaovao" aminy. Nataon’ i Jeremia soratononina tamin’ i Baroka ny faminaniany sy izay tokony hatao amin' ny boky. Nodoran’ ny mpanjaka Joiakima izany rehefa avy novakina teo anatrehany ka naverina nosoratana indray sy nofenoina taty aoriana (toko faha-36).
Azo zaraina efatra ny Bokin' i Jeremia:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.