I Shatt al-'Arab na Arvandrud dia onin' i Azia Atsimo-Andrefana nateraky ny fihaonan' ny ony Tigra sy ny Eofrata, 150 km alohan' ny hivarinany any amin' ny Hoala Persika. Ony any atsimo-atsinanan' i Iràka izy, 170 km ny halavany.

Thumb
Sarintany maneho an' i Shatt al Arab mandalo ao Basra.
Thumb
I Shatt al Arab landalo eo akainin' i Basra, ao Iràka

Ity ony ity dia atao amin' ny teny arabo hoe شط العرب (midika hoe "reniranon' ny Arabo") sy amin' ny teny persiana: اروندرود / Arvand Rud ("renirano haingana").

Mikoriana mianatsimo-atsinanana mankany amin' ny vavany ao amin' ny Hoala Persika ity ony ity. Ny tapany ambany amin' ny lalany dia manamorona ny sisintany manasaraka an' i Iràka sy i Iràna. Ny sakelidranony lehibe indrindra dia ny renirano Karun avy any atsinanan' i Iràna.

Misy seranan-tsambo lehibe roa ny eo amorony, dia i Bassora (na Basra) ao Iràka sy i Abadan ao Iràna. Noho ny hamaroan' ny fotaka entin' izy io dia tsy maintsy diovina matetika ilay ony mba hahafahan’ ny sambo mifamoivoy. I Shatt al-'Arab, izay mandalo ny tanàna irakiana Bassora, dia azo ifamoivoizana tsara amin' ny ankapobeny, ka izay no maha sarobidy azy ho an' ny famatsiana solitany ireo faritra manodidina. Mamatsy rano ny faritra atsimo amin' i Iràka sy ho an’ i Kôety izy ony ity.

Thumb
Arabon-keniheny mitondra lakana

Efa ela i Iràna sy i Iràka no niady momba ny zo fifamoivoizana ao amin’ io ony io, izay eo ambany fifehezan' i Iràka ankehitriny. Tao amin' ny faritra be heniheny ikorianan' ilay ony dia nisy vahoaka arabo (atao hoe amin' ny teny arabo hoe عرب الأهوار / 'Arab al-Ahwâr "Arabon-keniheny") nanorim-ponenana izay, namolavola kolontsaina azy manokana mifanaraka amin' ny tontolo feno honahona, noho ny fitokana-monin' izy ireo

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.