Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Al-Hussein ibn Ali na Al-Husayn ibn Ali dia revôlisiônera tao amin' ny Kalifata Omaiada, teraka tamin' ny 10 Janoary 626 tao Medina any Arabia ary maty tamin' ny 10 Ôktôbra 680 tao Kerbala (na Karbala) any Iràka, zanak' i Ali ibn Abi Talib sy i Fatima Zahra, ary amin' ny alalan' ity farany dia zafikelin' i Mohamady ihany koa.
Al-Hussein ibn Ali | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Al-Hussein ibn Ali | ||
Teraka | 8 Janoary 626 | ||
Maty | 10 Oktobra 680 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Kalifaty Omaiada | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Tamin' ny fahafatesan' i Al-Hassan ibn Ali zokiny lahy tamin' ny taona 670 dia lasa fahatelo tamin' ny imam roa ambin' ny folo tao amin' ny siisman' ny Roa ambin' ny folo izy. Ny fikomiany tamin' ny kalifa omaiada Yazid I (voampanga ho nanao ny tsy rariny) narahin' ny fahafatesany nandritra ny ady tao Karbala (Iràka) dia tena zava-dehibe amin' ny fandrosoan' ny fandinihana siita: araka ny silamo siita, indrindra fa ny siisman' ny Roa ambin' ny folo, sy ny ismaeliana, i Hussein dia maty an-tsitrapo hamonjy izao tontolo izao.
Izany fikomiana sy fahafatesana izany dia nanjary lohahevitry ny fanajana azy lalina teo amin' ny Siita. Noho izy lasa "maritiora" (shahîd) ho azy ireo dia mankalaza ny fahafatesan' i Hussein isan-taona izy ireo, amin' ny andro faha-40 manaraka ny datin' ny fanaovana maritiora, mandritra ny lanonana antsoina hoe "Arbain" ("efapolo", izany hoe ny efapolo andro taorian' ny fahafatesany). Olona 17 ka hatramin' ny 20 tapitrisa no mivory ao amin' ny Fasan' ny imam Hussein ao Karbala (atao hoe Môskean' ny imam Hussein) amin' ity fotoana ity mba hanomezam-boninahitra azy. Lasa anisan' ny toerana manan-danja eo amin' ny silamo siita àry ilay toerana.
I Alī ibn Abī Ṭālib no rainy. Ny vadiny dia i Layla bint Abi Murrah al-Thaqafi, Shahrbanu. Ny zanany dia i Ali ibn al-Husayn Zayn al-'Abidin, i Ali al-Akbar ibn Husayn, i Ali al-Asghar ibn Husayn, i Sukayna bint Husayn, i Fatima al-Sughra bint al-Husayn, i Fatimah bint Husayn, i Sakinah (Fatima al-Kubra) bint Husayn. i Ny rahalahiny sy ny rahavaviny dia i Zaynab bint Ali, i Hasan ibn Ali.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.