From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny ahmadisma dia hetsi-panavaozana mozilmana mesianista naorin' i Mirza Ghulam Ahmad tamin' ny taonjato faha-19 tao Penjab any India nandritra ny fanjanahan-tany britanika.
I Mirza Ghulam Ahmad (1835-1908) dia mozilmana teraka tao Qâdiyân ao Penjab. Nihavana tamin' ny Britanika izy ka tsy nanao fampielezan-kevitra momba ny fivavahany sady nilaza ny tenany ho fisehoan' ny Mesia indray. Izany Mesia izany dia i Jesoa amin' ny Kristiana, fa ny Avataran' i Vishnu amin' ny Hindoa[1].
Nanomboka tamin' ny taona 1889 i Ahmad dia nanao fanambaràna fa naniraka azy hamerina ny finoana silamo amin' ny fahadiovany i Allah sady nanambara ny tenany ho "mpanavao" (mujaddid) sy "olona itenenan' Andriamanitra" (muhaddath na muhaddith) ary "mpitari-dalana" (mahdi)[2]. Izany no nahatonga ny ahmadisma ho nenjehin' ny ankamaroan' ny sampana lehiben' ny silamo izay mino fa i Mohamady no mpaminany farany. Nambaran' ny Antenimiera pakistaney tamin' ny taona 1974 fa finoana tsy mozilmana ny ahmadisma[3].
Tamin' ny nahafatesan' i Ahmad dia nifidy kalifa handimby azy ny mpanaraka azy izay niaina tamina fiaraha-monina mahaleo tena[1]. Amin' izao fotoana izao dia hita amin' ny firenena miisa 190 ny mpino Ahmadý ka ny antsasany dia ao Pakistàna ary ny sisa any India, Nizerià, Sorinama, Etazonia sns. Tsy heverina ho Mozilmana izy ireo ao Pakistàna sy ao Afganistàna ary ao Arabia Saodita.
Nanomboka tamin' ny fivakisana tamin' ny taona 1914 dia mizara roa miavaka tsara ny ahmadisma, dia ny Fiombonana Mozilmana Ahmadià sy ny Fihetsika Ahmadià any Lahora. Ny isan' ny mpanaraka ny ahmadisma dia eo amin' ny 10 ka hatramin' ny 20 tapitrisa eo, fa izy ireo kosa dia milaza fa mihoatra ny 10 tapitrisa[4]. Tamin' ny taona 1999 dia nilaza ny Ahmadý fa misy eo amin' ny 4,7 tapitrisa ao Pakistàna, nefa ny fitondrana mozilmana ao dia manohitra an' izany isa izany[5]. Misy milaza fa mialokaloka any India ny Ahmadý miisa 130 000 eo[6].
Miasa mafy ny fikambanana amin' ny fikarakarana ny lafiny maha olona, indrindra aty Afrika[7], amin' ny fanamboarana toerana sy trano fitsaboana maimaimpoana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.