Zelôta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Zelôta dia firehana na antoko ara-pôlitika sy ara-pivavahana jiosy izay nalaza tamin' ny fanoherana ny Rômana tao Jodea (na Jodia) tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Empira Rômana sady handroaka azy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana. Ireo Zelôta ireo no lohany tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny Fikomiana Lehibe (hebreo: המרד הגדול / ha-Mered ha-Gadol) nataon' ny Jiosy tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.