I Zefania na Sôfônia dia mpaminany hebreo voaresaka ao amin' ny Baiboly. Naminany tamin' ny fotoana nanjakan' i Jôsia tao amin' ny Fanjakan' i Jodà (640-609 tal. J.K.) izy, tamin' ny andron' ny mpaminany Jeremia.

Thumb
Miteny amin' ny vahoaka i Zefania, sary tao Frantsa, taonjato faha-16.

Atao hoe צְפַנְיָה / Tsefanyāh, izay midika hoe "Nafenina i Yah" na "Nafenin'i Yah", i Zefania amin' ny teny hebreo. ka ny hoe Yāh dia fanafohezana ny hoe Yahweh.

Nanohitra ny fanaon' ny firenena vahiny sy ny fivavahana amin’ ny andriamani-tsy izy ity mpaminany ity sady nanakiana ny fomba ratsin' ny mpitondra. Nitoriteny tao Jerosalema izy tamin’ ny taona 640-630 tal. J.K., taloha kelin’ ny fotoana niasan’ i Jeremia.

Tamin' ny fotoana nanjakan' i Amôna sy i Manase tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, ny fivavahana amin' ny andriamanitra vahiny, toa an' i Baala sy i Astarte, dia nandroso tao Jerosalema, izay nampiditra fanao vahiny. I Jôsia, ilay mpanjaka nanitsy ny fivavahana, dia nikasa hampijanona izany fanao ratsy izany. Anisan' ny nafana fo tamin' ny mpanolo-tsaina ny amin' ity fanavaozana ity i Zefania.

Nanohitra ny fivavahana sy ny fitondran-tena ratsy ny mpaminany Zefania. Ka raha hitany ny fanompoan-tsampy izay efa tafiditra hatrao amin' ny fitoerana masina, dia nampitandrina izy fa handrava ny sisa amin' i Baala sy ny anaran' ny mpisorona amin' izany toerana izany Andriamanitra. Nitaky ny hiverenan' ny vahoaka amin' ny fahatsoram-piainan' ny razany fa tsy ny aingitraingitry ny fitafiana vahiny izay nitafian' ny ambony saranga ny mpaminany.

Ny mpaminany Zefania no lazaina nanoratra ny Bokin' i Zefania.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.