Ny vovoka dia fitambaram-poti-javatra bitika sady maivana ka mora mitsingevana ao amin' ny rivotra, izay matetika manana habe latsaky ny 1 000 μm. Ny vovoka dia mety hiteraka olana lehibe amin' ny fahasalaman' ny olombelona sy ​​​​ny biby ary ny zavamaniry, ary koa amin' ny fampandehanana milina. Azo esorina ny vovoka amin' ny rivotra anaty toeram-ponenana na toeram-piesana amin' ny alalan' ny fitaovam-pitrohana sy fitaovam-pisivanana isan-karazany.

Thumb
Tadio mitondra vovoka, any Aostralia

Toetoetry ny vovoka

Foronin' ny tsiraka avy amin' ny zavamaniry na biby, ny vovobony, ny silisy, ny bakteria ary ny bobongolo ny vovoka. Any amin' ny tanàn-dehibe, ny vovoka eny amin’ ny rivotra dia misy setroka sy poti-tara be dia be koa. Ao amin' ny tanàn-dehibe misy taozavabaventy, ny rivotra dia mety mitahiry poti-javatra bitika maherin'ny 3 tapitrisa isaky ny sm3. Ny haben' ny poti-javatra bitika ao amin’ ny vovoka dia miovaova eo amin' ny 0,5 ka hatramin' ny mikrôna maromaro. Mitsingevana ela eny amin' ny rivotra ireo poti-javatra ireo ary azon’ ny rivotra entina lavitra dia lavitra.

Afaka manaparitaka ny hazavana fohy halavan' onja ny vovoka ka misy fiantraikany amin' ny lokon' ny lanitra izany, ary afaka miova ho vongana madinika maro izay manamora ny fiovan' ny eton-drano ho lasa ando. Ny zavona sy ny setroka ary ny rahona dia tsy afaka miseho raha tsy misy ny tsindry avy amin' ny poti-javatra bitika ao amin' ny vovoka eny amin' ny rivotra.

Fiantraikan' ny vovoka

Olana goavana miseho amin' ny alalan' ny fahalotoan' ny rivotra ny habetsahan' ny vovoka anaty rivotra eny an-tanàn-dehibe. Any amin' ny orinasa mpanamboarana koba sy siramamy ary any amin' ny toeram-pitrandrahana arintany, ny fivangongoan' ny poti-javatra mora mirehitra dia mety hiteraka fipoahana. Mety hanimba ny fahasalamana ihany koa izy ireo rehefa voafoka, ka miteraka aretina toy ny silikôzy.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.