Vondrom-piteny kôisàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kôisàna dia vondrom-piteny tenenin' ny vahoaka kôikôy (na hôihôy) sy ny vahoaka sàna ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao amin'ny faritanin' i Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao amin' ny tapany atsimon' i Angôla.
Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin' ny hasim-peo miisa 140.
Tsy mamorona fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay heverina fa fiteny manirery. Ny teny hoe kôisàna dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao Afrika misy klika sady tsy mifamatotra amin' ny fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin' io kôntinenta io, dia ny fiteny afrô-aziatika sy ny fiteny nilô-sahariana ary ny fiteny nizerô-kôngôley. Ny fiteny kôisàna be mpiteny indrindra dia ny fiteny kôikôy (na fiteny hôihôy), fitenin' ny foko Nama, izay isan' ny folo lehibe ao Namibia.