Volgata
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Volgata dia dikan-tenin' ny Baiboly kristiana amin' ny teny latina nataon' i Hierônimo (na Jerôma) teo anelanelan' ny taona 390 sy 405 avy tamin' ny lahatsoratry ny Tanakh (Baiboly jiosy) amin' ny teny hebreo sy avy amin' ny lahatsoratry ny Testamenta Vaovao amin' ny teny fototra grika. Nasolo ny dikan-teny latina maro hafa atao hoe Vetus Latina ("Latina antitra", izany hoe "Baiboly latina antitra") izy io satria nadika avy amin' ny Septoaginta (na Septanta), izay dikan-tenin' ny Tanakh amin' ny teny grika, iretsy farany. Tamin' ny fotoanandrony dia nankasitrahan' ny Kristiana kokoa ny Volgata noho izy nadika avy amin' ny teny fototra. Ny Volgata no boky voatontan' i Gutenberg voalohany (taona 1454) izay nahitana andalana miisa 42 isam-pejy.