From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka na fantatra koa amin' ny hoe Valan-javaboarin' ny Tsingin' i Namoroka, dia valan-javaboary malagasy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Distrikan' i Soalala, Faritanin' i Mahajanga. Manana velarana 220,71 km2 ity valan-javaboary ity.
Ny taona 1927[1] no niorina ny Valan-javaboarin' i Namoroka ary nanjary lasa tahirin-javaboary manokana (réserve spéciale) izy nanomboka tamin' ny taona 1966.
Sahabo ho 50 km atsimon' i Soalala, any amin' ny ilany avaratra-andrefan' i Madagasikara no ahitana azy. Maharitra fito volana ny vanim-potoana main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanim-potoana fahavaratra. Ny mari-drefin' ny filatsahan' ny orana dia eo amin' ny 115 sm isan-taona, ary ny mari-pana kosa dia manodidina ny 25 °C. Ny tsingy sy zohy ary canyon no tena mampalaza an' io valan-javaboary io.
Toy ny ankamaroan' ny valan-javaboary eto Madagasikara, ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka dia fantatra amin' ny fisian' ny karazan-javamananaina sy ny habetsahan' izany ao aminy. Amin' ny karazam-borona 81 misy ao dia 31 no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara ary 23 karazana hafa no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara sy any amin' ny nosy manodidina azy.
Toerana ahitana karazana biby mandady telopolo na mikisaka maro, karazana sahona dimy, karazana biby mampinono enina ambin' ny folo ary karazana amboanala valo ihany koa ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka. I Namoroka manokana dia fonenan' ireto karazana amboanala ireto:
Namoroka no anarana nosafidian' i Mozilla Firefox ho an' ny tao faha 3.6.[2] an' io rindrankajy io.
Valan-javaboary
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.