![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Masoala_park_map.png/640px-Masoala_park_map.png&w=640&q=50)
Valan-javaboarin' i Masoala
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Valan-javaboarin' i Masoala dia valan-javaboary noforonina tamin' ny taona 1997, any avaratra-atsinanana amin' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Sava, faritanin' Antsiranana (Diego-Suarez), eo amin' ny Saikinosy Masoala. Io no faritra arovana lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, izay ahitana ala trôpikaly amin' ny vekaran-tany 235 000 ha. Io valan-javaboary io dia noforonina mba hitantanana sy hiarovana ary hamerenana ny vakoka voajanahary malagasy izay iharan' ny tsindry mafy (karazana gidro miisa 15 sy karazam-biby hafa am-polony no nanjavona hatramin' ny nahatongavan' ny olombelona ao). I Masoala dia nitahiry tontolo miavaka, fahatsiarovana farany momba ny Nosy maitso (iray amin' ireo anarana tranainy iantsoana an' i Madagasikara); vakoka amin' ny ala mikitroka anirian' ny zavamaniry tia aloka izay. Izany no mahatonga azy ho isan' ireo toerana tsara indrindra ho an' ny fizahàn-tany ara-tontolo iainana sy ny fizahàn-tany lovain-jafy, ary koa ho an' ny fandalinana ny ala trôpikaly fahiny sy ny tontolo an-dranomasina.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Masoala_park_map.png/320px-Masoala_park_map.png)
Io valam-pirenena io dia natsangana mba hiaro sy hamerina ny fananam-pirenena (karazan-gidro dimy ambin'ny folo no efa very eto Madagasikara hatry ny fahatongavan'ny olombelona.