Tolagnaro | ||
Velarantany | 31,17 km2 | |
Isam-ponina | 67 284 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Madagasikara | |
Faritany | Toliara | |
Faritra | Faritra Anosy |
I Tolagnaro na Fort-Dauphin dia kaominina malagasy ao amin' ny Distrikan' i Tolagnaro, ao amin' ny Faritra Anosy ao amin' ny Faritanin' i Toliara eto Madagasikara, tanàna renivohitry ny Faritra Anosy any amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara. 1 122 km any atsimon' Antananarivo no misy azy. Manana toeram-pitsangantsanganana maro sady tsara i Tolagnaro.
Anaran' ilay tanàna
Ireto avy ny mety hanorantana na hanononana ny anaran' io tanàna io: Tolagnaro, Tolañaro, Tolanaro, Taolagnaro, Taolañaro, Taolanaro, Tôlagnaro, Tôlañaro, Tôlanaro, Fort-Dauphin, Faradofay, Faradifay, Farady.
Jeôgrafia
Toerana misy azy
Any amin' ny 620 km miala an’ i Toliara no misy azy ary eo amin’ ny 1 122 km miala an' Antananarivo. Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.
Toetany
Ny rotsak' orana any Tolagnaro dia 1 700 mm eo ho eo, noho ny tendrombohitra manakana ny rivotra mandro any andrefan' ilay tanàna. Noho izany, maitsomaitso kokoa noho ny faritra manodidina ny tanin' i Tolagnaro. Ny salan-kafanana any dia 23 °C ary miakatra hatrany amin' ny 26 °C na midina hatrany amin' ny 20 °C arakaraka ny volana.
Vohon' ny tany
Ny Pic Saint Louis no tendrombohitra avo indrindra ao Tolagnaro, ary any avaratry ny ny tanàna no misy azy.
Fitantanana
Ny tanànan' i Tolagnaro no renivohitry ny Distrikan' i Tolagnaro sy ny Faritra Anosy. Iray amin' ny kaominina miisa 25 mandrafitra ny Distrikan' i Tolagnaro ny kaominina ambonivohitr' i Tolagnaro. Ao no ahitana ny fitaleavam-paritra miankina amin' ny ministera samihafa, izay endrika isehoan' ny fanapariaham-pahefana any amin' ilay faritra.
Mponina
Ny faritanin' ny Tolagnaro dia onenan' ny foko antanosy indrindra. Tamin' ny fanisana tamin' ny 1975 dia 19 605 ny isan' ny mponina tao Tolagnaro. 30 690 izany tamin' ny taona 1993 ary 39 000 tamin' ny taona 2001. Tamin' ny taona 2010 dia 46 000 ny isan' ny mponina ao Tolagnaro.
Toekarena
Fitaterana
Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.
Saro-dalana ny tanànan' i Tôlagnaro. Ny seranam-piaramanidina, izay ao andrefan' ilay tanàna, dia mampifandray tsy tapaka amin' Antananarivo renivohitra. Vao tsy ela akory izay dia nisy ny fifandraisana ana habakabaka tsy tapaka amin' i Saint-Denis ao La Réunion.
Harena an-kibon' ny tany
Na dia eo aza ny fisian' ny akora fanodina maro ao amin' ny faritra manodidina an' i Tolagnaro dia maro no mbola tsy voatrandraka firy (vatosoa, baoksita, titanina).
Na izany aza, ny fitrandrahana ilmenita (akora ahazoana ny titanina) nataon' ny orinasa kanadianina QIT Madagascar Minerals (QMM), sampan' ny Rio Tinto, ao amin' ny toeram-pitrandrahana ao Mandena, dia nitarika ny fanamboarana ny lalana ahafaha-miditra ao Tolagnaro sy ny seranan-tsambon' i Ehoala an-drano lalina any amin' ny 10 km atsimon' ilay tanàna, izay nisokatra tamin' ny taona 2009, any akaikin' ny seranam-piaramanidin' i Tolagnaro.
Fanafarana sy fanondranana
Ny seranan-tsambo tranany ao Tolagnaro dia vavahady misokatra amin' izao tontolo izao, izay ampiasaina voalohany indrindra amin' ny fanondranana langosta sy drakaka ary ahidrano maina. 75 km miala an' i Tolagnaro, manodidina an' Amboasary-Atsimo, misy toeram-pambolena taretra maro, izay aondrana ao amin' ny seranan-tsambon' i Tolagnaro.
Fanjonoana
Ny fanjonoana langosta koa dia tena be mpanao any amin' ilay. Misy orinasa mpanondrana langosta betsaka mankany Eorôpa sy Azia ny any.
Fizahan-tany
Anisan' ny hetsika goavana eto Tolagnaro ihany koa ny fizahantany. Manana trano fandraisam-bahiny vitsivitsy koa ilay tanàna.
Jereo koa
Renivohi-paritany eto Madagasikara
- Antananarivo - Antsiranana - Fianarantsoa - Mahajanga - Toamasina - Toliara
Renivohi-paritra eto Madagasikara
- Ambatondrazaka - Ambositra - Ambovombe - Antananarivo - Antsirabe - Antsiranana - Antsohihy - Farafangana - Fenoarivo Atsinanana - Fianarantsoa - Ihosy - Maevatanana - Mahajanga - Maintirano - Manakara - Mananjary - Miarinarivo - Morondava - Sambava - Toamasina - Tôlanaro - Toliara - Tsiroanomandidy
Samihafa
Rohy ivelany
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.