Ny tromba, araka ny finoan-drazana malagasy, dia fanahy na avelon' ny mpanjaka efa maty na ny taranany, na avelon' olona nanan-daza teo amin' ny mpiara-belona taminy fahizay ka mitoetra miaraka aminy; mbola manohy ny fanapahany ny velona amin' ny alalan' ny findramany ny tenan' ny olona iray mbola velona izany fanahy izany raha fanahin' ny mpanjaka no mipetraka ao amin' ilay olona misy tromba. Endrika iray amin' ny fivavahana amin' ny razana ny tromba.

Miteny amin' ny alalan' io olona misy tromba io ilay fanahy. Any amin' ny faritra sakalava no tena ahitana izany nefa miely eran' i Madagasikara ihany koa izany finoana izany. Antsa aman' amponga sy angorodao no atao handihizan' ilay olona misy tromba sady hitokavana ilay fanahy mba hiditra ao aminy.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.