Tokolera (vahoaka)

From Wikipedia, the free encyclopedia

Tokolera (vahoaka)

Ny Tokolera na Tokolôra na Tekrory, antsoina koa hoe Haalpolaara dia vahoaka manana fiaviana sy fiteny folany, any Afrika Andrefana, monina indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Senegaly, any amin' ny tapany atsimon' i Maoritania, any Maly ary any Ginea (Dinguiraye).

Thumb
Vehivavy tokolera ao Senegaly

Na dia aseho matetika ho foko ao amin' ny vondrom-poko Folany aza izy ireo, araka ny filazan' ny mpanoratra maliana Amadou Hampâté Bâ, dia tsy foko fa vondrona ara-kolotsaina smary ranoray, nandray ny finoana silamo ary miteny folany.

Thumb
Lohasahan' ny ony Sénégal

Nanangana ny Empira Tokolera midadasika izy ireo tamin' ny taonjato faha-19 teo ambany fitarihan' i Omar Saidou Tall izay nitarika ady ara-pivavahana tamin' ireo vondrom-poko manodidina sy ny tafika mpanjanaka frantsay.

Ny Tokolera dia manana fomban-drazana tsy mifindrafindra fonenana, niorim-ponenana ao amin' ny lohasahan' ny ony Sénégal, ary ny fambolena, ny jono ary ny fiompiana omby no tena asany. Ny fiarahamonina tokolera dia manara-dray, mampirafy ny lehilahy ary misy fizarazaràna ara-tsôsialy hentitra izay ahitana ny fanandevozana sy ny sarangam-poko.

Ny fanavahana ny Tokolera sy ny Folany amin' ny ankapobeny dia noforonin' ny etnôgrafa frantsay tamin' ny taonjato faha-19. Nanavaka ny Tokolera izay heverina ho mpiorim-ponenana tsy mifindrafindra, miaina amin' ny fambolena sy tsy tia Eorôpeana izy ireo andaniny, ary ny Folany mpifindrafindra monina, mpiompy andiam-biby, malemy paika ary tia fiaraha-miasa ankilany, saingy diso izany fomba fijery mampifanohiera izany.

Miisa 1 587 000 (9,2 %) izy ireo ao Senegaly, 438 000 (9,8 %) ao Maoritania, 225 000 (1,5 %) ao Maly, 47 000 (0,2 %) ao Ginea, ary 17 000 (0,4 %) ao Gambia.

Ny Tokolera dia miteny polaara, izay fitenim-paritry ny fiteny folany, sampana atlantika ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.