Tesalônika
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Tesalônika dia tanàna ao Grisia izay renivohitry ny distrikan' i Tesalônika akehitriny, miorina ao amin' ny sisin' ny Helodrano Termaîka. Renivohitry ny sisin-tanin' i Makedônia afovoany ao amin' i Makedônia grika io tanàna io amin' izao fotoana izao sady diôsezy itsinjaram-pahefan' i Makedônia-Traka.
Amin' ny teny grika dia atao hoe Θεσσαλονίκη / Thessalonikê (na Thessalonitsi amin' ny fanononana grika vaovao) na Σαλονίκη / Salonikê (na Salonitsi amin' ny fanononana grika vaovao) io tanàna io. Amin' ny teny slava izy dia atao hoe Солун / Solun, amin' ny teny jodeô-espaniôla (fiteny ladinô) dia סלוניקה / Salonika, ary amin' ny teny romaniana dia Sãruna. Amin' ny teny torka izy dia atao hoe Selanik.