Tantaran' ny Repoblikan' i Kôngô
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' ny Repoblikan' i Kôngô dia tsy mifankaiza amin' ny tantaran' ireo fireneneana afrikana manodidina azy: fisian' ny fanjakana maro madinidinika, fahatongavan' ny Eorôpeana, fivarotana andevo, fanjanahan-tany (frantsay ny an' ny Repoblikan' i Kôngô), fahaleovan-tena, ady an-trano, fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary fizorana mankany amin' ny demôkrasia.
Ny Pigmea Mboty no mponina voalohany tao amin' ny faritra misy ny Repoblikan'i Kôngô ankehitriny. Niorim-ponenana tao koa tamin’ ny fiandohan’ ny fanisan-taona iraisana ny Banto. Ireo fanjaka-mpanjaka roa lehibe dia ny fanjakan’ i Lôangô sy fanjakan’ i Kôngô. Ny fanjakan’ i Lôangô dia fanjakana miankina amin' ny fanjakan’ i Kôngô.
Ilay Frantsay atao hoe Pierre Savorgnan de Brazza dia nijery manontolo ny tany misy an’ i Kôngô ankehitriny tamin’ ny taona 1879 hatramin’ ny 1880. Nanao sonia fifanarahana tamin’ ny mpanjaka izy, ka nametraka an’ izany tany izany ho eo ambany fiarovan’ ny Frantsay. Tamin’ ny taona 1903 dia nomena ny anarana hoe Moyen-Congo ilay faritra ary lasa zanatany frantsay. Nanomboka tamin’ ny taona 1944 dia namory ny solontenan’ ny tanin’ ny Empire colonial français ny i Charles de Gaulle ka namolavola ny fototry ny Union française.
Taorian’ ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ ny taona 1958 dia nahazo ny fahaleovan-tenany i Moyen-Congo tamin’ ny 15 Aogositra 1960 ka niova anarana hoe Repoblikan’ i Kôngô. Ny filoham-pirenena voalohany dia i Fulbert Youlou. Nifanesy ny fanonganam-panjakana. Ireto ny nifandimby voalohany teo amin’ ny fitondrana: Alphonse Massemba-Débat, ny kapiteny Raoul, Marien Ngouabi, Yhombi-Opango, Sassou-Nguesso. Nanajaka ny ady an-trano izay nahafaty olona an-ketsiny maro hatramin’ ny taona 1993 ka hatramin’ ny 1999. Nisy ny fanovana lalàm-panorenana izay nolanina tamin’ny fitsapan-kevibahoaka tamin’ny taona 2002 ary lany tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena i Denis Sassou-Nguesso tamin’ io taona io ihany. Ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka natao dia dingana lehibe vita amin’ ny fampandriam-pahalemana.