![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/29/Insigne_Gabonis.svg/langmg-640px-Insigne_Gabonis.svg.png&w=640&q=50)
Tantaran' i Gabôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Teo amin' ny tantaran' i Gabôna, efa tany amin' ny 400 000 taona lasa no nisian' ny olombelona tao Gabôna. Araka ny lovantsofina dia ny Pigmea, avy eo ny vahoaka banto, no mponina voalohany tao Gabôna. Taty aoriana, rehefa tonga ny tatsambo pôrtogey tamin' ny taonjato faha-15 vao nananana ny vavolombelona an-tsoratra teo amin' ireo mponina amorontsiraka. Nandritra ny taonjato telo, ny fiainan' ny Pôngô (Pongo) na Mpôngoe (Mpongwe) dia nanaraka ny onjan' ny fivarotana andevo teo amin' ny vahoaka amorontsitaka sy ny mpivarotra eorôpeana (indrindra ny Pôrtogey sy ny Hôlandey). Tamin' ny taojato faha-19 dia naka tsikelikely an' io faritra misy an' i Gabôna ankehitriny io i Frantsa, nanomboka teo amin' ny fivarinan' ny ony Komo any an-dranomasia sy ny fivarinan' ny ony Ogooué any an-dranomasina, taorian' ny asan' ireo mpitety tany toa an' i Victor de Compiègne sy i Alfred Marche ary i Pierre Savorgnan de Brazza. Lasa zanatany isan' ny Afrika Ekoatôrialy Frantsay i Gabôna mandra-pahazoany ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1960. Teo anelanelan' ny taona 1967 sy 2009 dia filoham-pirenena tokana, dia i Omar Bongo, izay nahazo tomnony noho ny fitrandrahana ireo loharanon-karena voajanahary, no nitondra ny firenena.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/29/Insigne_Gabonis.svg/220px-Insigne_Gabonis.svg.png)