![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d4/Flag_of_Cyprus.svg/langmg-640px-Flag_of_Cyprus.svg.png&w=640&q=50)
Repoblikan' i Kipra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Repoblikan' i Kipra na Repoblikan' i Sipra na Repoblikan' i Kiprôsy dia firenena mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeanina, ao amin ny ilany atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea, ery ampitan’ ny morontsirak’ i Torkia sy Siria ary Libàna.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d4/Flag_of_Cyprus.svg/640px-Flag_of_Cyprus.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0a/Carte_de_Chypre.png/320px-Carte_de_Chypre.png)
Miompana amin’ ireo sehatr’ asa momba ny fizahàn-tany ny toekaren’ i Kipra.
Ny nosy Kipra dia ao amin’ ny toerana stratejika ao amn’ ny Ranomasina Mediteranea ka izany no mahatonga azy nisy mpanani-bohitra sy mpanjana-tany nandritra ny tantarany. Anisan’ ireo nanao izany tamin’ ny Andro Taloha ny Asiriana, ny Ejipsiana, ny Persiana ary ny Rômana. Tamin’ ny Andro Antenatenany dia mbola nitohy izany toe-javatra izany, ka ny Anglisy sy ny Frantsay sy ny Italiana ary ny Torka tamin’ ny Empira Ôtômana no nifehy an’ i Kipra. Tamin’ ny taona 1923 dia lasa zanatany tao amin’ ny Empira Britanika i Kipra. Nahazo ny fahaleovan-tenany anefa izy tamin’ ny taona 1960 sady nikambana ao amin’ ny Commonwealth. Vantany vao nanomboka ireo taona 1960 dia nisy ny disadisa teo amin’ i Kipriôta grika sy ny Kipriôta torka, noho izany dia nizara roa ilay firenena tamin’ ny taona 1974: dia ny Repoblikan' i Kipra ao atsimo sy ny Fanjakana kipriôta torka ao avaratra (eo ivelan' ny tsipika maitso, lasan' i Torkia sy ataony hoe azy, lasa repoblika hafa amin' ny anarana hoe Repoblika Torkan' i Kipra Avaratra), izay tsy misy mankato afa-tsy i Torkia. Tamin’ ny taona 2004 dia niditra ho mpikambana ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana ny Repoblikan’ i Kipra. Niditra tao anatin' ny faritra Euro i Kipra tamin' ny 1 Janoary 2008.