Euro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny euro dia ny sandam-bola oôfisialin' ny firenena mpikambana 20 ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, ary vola tokana sy iraisan' ireo firenena 20 ireo. Ny fikambanan' ny firenena rehetra mampiasa ny vola euro dia atao hoe Faritra Euro.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Euro_logo_plus_character.png/320px-Euro_logo_plus_character.png)
Ankoatran' ny firenena ao amin' ny Faritra Euro, misy firenena ao Eorôpa mampiasa ilay sandam-bola na dia tsy vola ôfisialy any aminy aza ny euro, i Môntenegrô sy i Kôsôvô ohatra dia mampiasa azy, noho ny fianjadian' ny Faritra Euro.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7f/European_union_emu_map_en.png/640px-European_union_emu_map_en.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/be/Euro_banknotes.png/320px-Euro_banknotes.png)
Ny euro dia nanomboka niasa tamin' ny taona 1999 ary nandimby ny ECU (European Currency Unit), sandam-bola eorôpeana noforonina tamin' ny taona 1979. Ankehitriny, izy izao no sandam-bola faharoa miasa indrindra eto an-tany ary voalohany amin' ny isan' ny vola taratasy voaprinty (610 miliara euro).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/05/Geldst%C3%BCcke.jpg/640px-Geldst%C3%BCcke.jpg)