![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/Hanzi.svg/langmg-640px-Hanzi.svg.png&w=640&q=50)
Sinôgrama
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sinôgrama na ny soratra sinoa dia soratra ampiasaina amin' ny fanoratana ny fiteny sinoa sy amin' ny fiteny aziatika hafa. Ny anaran' izy ireo amin' ny teny sinoa dia hanzi. Nampiasaina ho an' ny fanoratana fiteny hafa koa izy ireo: anisan' izany ny fiteny japôney (jereo kanji) sy ny fiteny kôreana (jereo hanja), amin' ny teny vietnamiana, ny soratra sinoa dia antsoina hoe chữ Nôm. Ny tarehin-tsoratra sinoa no tarehin-tsoratra antitra indrindra mbola ampiasaina amin' izao fotoana izao. Amin' ny maha tarehin-tsoratra fampiasa azy ao amin' ny sinôsfera sy ny lazany ao Azia Atsinanana, anisan' ny tarehin-tsoratra be mpampiasa indrindra eto amin' izao tontolo izao ny tarehin-tsoratra sinoa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/Hanzi.svg/320px-Hanzi.svg.png)
An' aliny ny isan' ny sinôgrama, na dia fiovana madiniky ny sinôgrama hita ao amin' ny lahatsoratra taloha aza ny ankamaroan' izy ireo. Ny fanadihadiana tao Sina dia maneho fa ny fahaiza-mampiasa ny tarehin-tsoratra sinoa dia mila ny fahafantarana sinôgrama telo hatramin' ny efatra arivo. Ao Japana dia 2 136 ny isan' ny kanji (anaran' ny sinôgrama amin' ny teny japôney) ianarana any am-pianarana. Kanji maro noho izany anefa no tena fampiasa amin' ny fiainana mandavanandro. Maro ny lisitra sinôgrama tokony fantatry ny tsirairay, ary samy manana ny azy ny firenena mampiasa ny tarehin-tsoratra sinoa; ny tarehin-tsoratra nentin-drazana dia mbola ampiasaina ao Taiwan, Hong Kong, Macao ary Kôrea Atsimo. I Japana dia manana ny fombany manokana hanatsorana ny sinôgrama, izay mbola akaiky amin' ny tarehin-tsoratra sinoa nentin-drazana noho ny tarehin-tsoratra sinoa notsorina izay fampiasa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Na dia misy aza ny fanatsorarana ataon' ny Japôney (izay antsoina hoe shinjitai), ireo tarehin-tsoratra tsy fahita matetika dia soratana amin' ny fomba nentin-drazana ihany (kyūjitai), izay mitovy tsy misy valaka amin' ny tarehin-tsoratra nentin-drazana. Ao Kôrea Atsimo dia ampianarina ny tarehin-tsoratra sinoa amin' ny ambaratongam-pianarana voalohany hatramin' ny faran' ny ambaratonga faharoa na dia tsy fampiasa isan' andro toa ny any Japana sy ny firenena hafa ao amin' ny sinôsfera aza izy ireo. Eo amin' ny 1 800 eo ho eo no isan' ny tarehin-tsoratra sinoa ampianarina eny am-pianarana.
Tamin' ny teny sina taloha, manaraka ny fanononana ny fanoratana ny sinôgrama ary azo noheverina fa mitovitovy ny fanononana ny sinôgrama mitovitovy. Amin' ny teny sinoa ankehitriny dia tsy marina intsony izany, ary ny teny dia matetika soratana amin' ny sinôgrama roa na mihoatra. Izany no atao satria ny sinôgramadia tononina amin' ny alalan' ny vanin-teny iray ary iray ihany. Mety maro ihany koa ny fomba fanononana ny sinôgrama iray, fa na dia izany aza vitsy kely ny sinôgrama manana fanononana mihoatra ny iray.
Betsaka dia betsaka ny sinôgrama mitovy fanononana, ary mety betsaka ihany koa ny mety ho dikan' ny sinôgrama iray. Amin' ny fiteny sinoa maro (kantôney, gan, wu) dia samihafa ny fanononana ny sinôgrama iray, fa amin' ny ankamaroan' ny tranga dia mitovy ihany ny hevitra entin' ilay soratra. Amin' ny fiteny hafan' ny sinôsfera, ny tarehin-tsoratra sinoa dia ampiasaina amin' ny fanoratana ny indran-teny avy amin' ny teny sinoa, izany dia marina ho an' ny fiteny japôney. Rehefa tsy indran-teny amin' ny teny sinoa no soratana amin' ny alalan' ny tarehin-tsoratra sinoa, dia ny hevitra entiny no ampiasaina.