![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/90/Seleukos_III_Keraunos%252C_Tetradrachm%252C_226-223_BC%252C_HGC_3-414c.jpg/640px-Seleukos_III_Keraunos%252C_Tetradrachm%252C_226-223_BC%252C_HGC_3-414c.jpg&w=640&q=50)
Seleokosy III Sotera
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Seleokosy III Sotera, izay atao hoe Seleokosy Keraonosy koa, dia mpanjaka seleokida tao Siria nanapaka tamin'ny taona 226 hatramin'ny 223 tal. J.K. Izy no nandimby an-drainy Seleokosy II Kalinikosy teo amin'ny fitondrana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/90/Seleukos_III_Keraunos%2C_Tetradrachm%2C_226-223_BC%2C_HGC_3-414c.jpg/640px-Seleukos_III_Keraunos%2C_Tetradrachm%2C_226-223_BC%2C_HGC_3-414c.jpg)
Niady matetika tao Anatolia[1] tamin'i Atala I mpanjakan'i Pergamona[2] izy. Novonoin'ny manamboninahitra miaramilany izay namadika azy ka niady taminy tany Anatolia tamin'ny taona 223 tal. J.K izy[3]. Rehefa maty i Seleokosy III dia ny rahalahiny Antiokosy III Lehibe no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.