![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8e/Salome_Alexandra.jpg/640px-Salome_Alexandra.jpg&w=640&q=50)
Salôme Aleksandra
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Salôme Aleksandra dia mpajakavavin' i Jodea (na Jodia) teo anelanelan' ny taona 76 sy 67 tal. J.K., izay vadin' i Aristôbolo I avy eo lasa vadin' i Aleksandro Janeo rehefa maty i Aristôbolo I rahalahiny. Nanohana ny Fariseo (na Farizianina) i Salôme ary ireo lohan' ny Fariseo no nataony mpanolotsainy tamin' ny pôlitika anatiny. Maty i Sôlome taloha kelin' ny hipoahan' ny ady nifanaovan' ny zanak' i Hirkano II sy i Aristôbolo II.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8e/Salome_Alexandra.jpg/320px-Salome_Alexandra.jpg)