Sakramenta ao amin' ny Eglizy katôlika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Sakramenta Masina dia fomba ampitana sy anomezana ny fahasoavan' Andriamanitra, izay famantarana (na sembôlin') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no sady fitaovana ahatongavana amin' izany. Mandray ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy ny olona mandray ny sakramenta.
"Ny sakramenta fito no famantarana sy fitaovana izay amin’ ny alalan' ireo ny Fanahy Masina no mandrotsaka ny fahasoavan' i Kristy, ilay Loha, ao amin' ny Fiangonana Vatany. Ny Fiangonana àry no mirakitra sy mampita ny fahasoavana tsy hita maso ambarany"[1].
Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika, dia ireto avy: ny batemy, ny eokaristia, ny kônfirmasiôna (na fankaherezana), ny sakramentan' ny fampihavanana, ny fanosorana ny marary, ny fanambadiana, ary ny ôrdinasiôna (na filaharana).