Fahasoavana (finoana)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fahasoavana dia fitahiana omen' Andriamanitra malalaka ho an' ny olona izay mahazo ny famonjena sy fanamasinana maimaimpoana. Hita ombieniombieny io teny io ao amin' ny teôlôjia kristiana. Zava-dehibe koa ny fahasoavana ao amin' ny fivavahana jiosy (ny jodaisma) araka izay hita amin' ireo boky ao amin' ny Tanakh ary toraka izany koa ny ao amin' ny finoana silamo sy ny sikisma izay manana ny ataony hoe "fahasoavana".