Sikisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sikisma dia fivavahana amin' Andriamanitra tokana naorin' i Guru Nanak tao amin' ny tapany avaratr' i India tamin' ny taonjato faha-15. Mônôteista ny fivavahana sika. Mino Andriamanitra tokana Faratampony ny mpino ao aminy, ka izany Andriamanitra izany dia tsy manam-petra, mandrakizay, mpamorona, anton' ny anton-javatra rehetra, tsy manam-pahavalo, tsy misy fankahalana, izay sady ato amin' izao tontolo izao no ao ivelany sy mihoatra azy (mihoa-draha). Atao hoe Goró Faratampony izy.
Ny teny hoe ਸਿੱਖ / sikkh dia teny penjaby izay nisampana avy amin' ny teny sanskrita hoe शिष्यः / śiṣya (izay midika hoe "mpianatra"), na avy amin' ny teny sanskrita hoe शिक्ष / śikṣa (izay midika hoe "fianarana" na "fampianarana"). Midika hoe "fanahin' Andriamanitra" izay. Ny foto-pampianaran' ny sikisma dia miorina amin' ny fampianarana ara-panahin' ireo Guru Folo izay voangona ao amin' ny Sri Guru Granth Sahib.
Tsy manohitra ny fivavahana kristiana na ny silamo na ny fiavavahana hindo ny sikisma fa mihevitra azy ireo ho fomba samy ahafahana mivavaka amin' Andriamanitra.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.