Renin' Andriamanitra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny anaram-boninahitra hoe Renin' Andriamanitra dia anarana omen' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa an' i Maria renin' i Jesoa. Izany anarana izany dia notapahin' ny Kônsily tao Efesôsy (na Efeso na Efezy) tamin' ny taona 431 nefa i Aleksandra avy any Aleksandria no nampiasa azy voalohany tamin' ny taona 325. Amin' ny fiteny grika dia ny hoe Θεοτόκος / Theotokos ("niteraka an' Andriamanitra") no dikan' io teny io. Noho i Maria niteraka an' i Jesoa (na Jesosy) izay inoan' izy ireo fa sady olona no Andriamanitra no mahatonga izany. Raha sady olona tokoa no Andriamanitra tokoa i Jesoa dia sady niteraka olona tokoa no niteraka Andriamanitra tokoa i Maria niteraka azy, hoy ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.