Katôlisisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny katôlisisma dia fivavahan' ny Kristiana mankato ny fahefan' ny papa sy ny eveka, indrindra momba ny famolavolana ny foto-pampianarany, ny fampitana sy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahany. Ny Eglizy katôlika dia mihevitra fa ny vita batemy rehetra ao aminy dia Katôlika, nefa tsy mamaritra mason-tsivana amantarana ny mpikambana izy.
Ny fivavahana katôlika dia vaoamarik' ireto sakramenta ireto: ny batemy, ny kônfirmasiona, ny eokaristia (na kômonio), ny fampihavanana, ny fanambadiana, ny fanosorana farany, ary ho an' ny diakra sy ny pretra ary ny eveka dia ny ôrdinasiona. Ny fampianarany dia mifototra amin' ny misterin' ny Trinite Masina, ny fahatongavan' i Jesoa Zanak' Andriamanitra ho nofo sy ny fanavotany ny zanak' olombelona tamin' ny nahafatesany, ary ny fanajana an' i Masina Maria Virjiny amin' ny maha Renin' Andriamanitra azy.
Ny ankamaroan' ny Katôlika dia ao amin' ny Eglizy latinina, nefa ny Eglizy katôlika dia mahafaoka koa ireo fiangonana katôlika tatsinanana miisa 23 izay manan-jo hanao ôrdinasiona pretra lehilahy manam-bady.
Tamin' ny taona 2013 dia niisa 1 254 000 000 ny isan' ny mpino katôlika vita batemy, nitombo 26 000 000 izany ny isan' ny Katôlika raha miohatra amin' ny isany tamin' ny taona 2012 (1 228 000 000). Saika amin' ny firenena rehetra no ahitana ny katôlisisma, indrindra ao Eorôpa sy any Amerika ary aty Afrika atsimon' i Sahara. Vitsy ny Katôlika any Azia sy any amin' ny tontolo arabo-miozolmana. Nihena isa ny Katôlika ao amin' ireo firenena tandrefana nefa mitombo izy ireo aty Afrika sy any Azia. Mihoatra kely ny fitombon' ny isan' ny mponina maneran-tany ny fitombon' ny isan' ny Katôlika maneran-tany. Tamin' ny 1978 dia nahatratra 18 % ny Katôlika raha 17 % ary 17,7 tamin' ny 2013.