Ranomasina Baltika
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny ranomasina Baltika dia ranomasina iray eo amin'ny faritra Avaratr'i Eoropa. Ny firenena manana amorontsiraka amin'ny ranomasina Baltika dia i Alemaina, i Danmarka, i Rosia, i Soeda, i Finlandy, i Litoania, i Estonia, i Letônia ary i Polonia. Zato tapitrisa no isan'ny mponina miaina manodidin'ny Ranomasina Baltika.
Ny ranomasina Baltika tamin'ny voalohany, dia velaran-dranomamy lehibe vokatry ny fitsonihan'ny ranomandry nandrakotra an'i Eoropa Avaratra tamin'ny Vanimpotoan'ny Ranomandry farany 10 000 taona lasa izay. Tsy nikasika ny ranomasina ilay velaran-drano tamin'ny voalohany. Nivadika ranomasina ny ranomasina Baltika tamin'ny faran'ny Vanimpotoan'ny Ranomandry.
Ny ranomasina Baltika dia atao hoe farihy proglaciaire tamin'ny andro taloha. Nivadika ranomasina ny ranomasina baltika tamin'ny fialan'ny ranomandry ary ny fiitatry ny tany manodidona (antsoina hoe izôstazia, izany hoe miitatra ireo tany voapotsitra rehefa tsy voapotsitra intsony).
Ny velarantan'ny ranomasina Baltika dia 450 000 km2 raha isaina ny Kattegat.
Ny hasiran'ny ranomasina Baltika dia 10 g/l. Izany hoe ampahatelon'ny salan-kasiran'ny ranomasimbe rehetra eto an-Tany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.