Pôlitika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny pôlitika dia ny fomban' ny olona miaina ao amin' ny vondrona hanapa-kevitra, ny fifanarahana eo amin' ny olona mba hahafahany miara-miaina eo amin' ny vondrona toy ny foko na tanàna na firenena. Ao amin' ny vondrona lehibe, toy ny firenena, ny olona sasany dia mety ho lany fotoana manao fifanarahana toa izany. Ireo olona ireo no antsoina hoe mpanao pôlitika. Ny mpanao pôlitika, ary indraindray ny olona hafa, dia mety miaraka mba hanangana ny fitondram-panjakana. Ny fandinihana ny pôlitika ao amin' ny oniversite no atao hoe siansa ara-pôlitika, fianarana ara-pôlitika, na ny fitantanam-bahoaka.
Ny teny hoe pôlitika dia avy amin' ny teny grika hoe politikê ("siansan'ny raharahan-tanàna"). Teny mitovy dika amin'ny fandrindrana ny tanàna ny politika. Ny tanàna resahina eto dia tanàna mizaka tena grika taloha.
Eo amin'ny fiainana andavanandro, ny teny hoe politika dia manondro ny fomba hitantanana ny firenena, ary ny fomba anaovan'ny fitondram-panjakana fitsipika sy ny lalàna. Fa ny politika koa dia hita ao amin'ny vondrona hafa, toy ny orinasa lehibe na ny sekoly na ny fiangonana.