Pentekôtisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny pentekôtisma, izay atao hoe koa hetsiky ny Pentekôsta, dia fireham-pinoana kristiana ara-pilazantsara (evanjelika) vokatry ny fifohazam-panahy notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin' ny taona 1906. Io hetsika io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina, ny batisan' ny olon-dehibe amin' ny maha vavolombelona an-tsitrapo azy, ny fananana saina tia mamita iraka (asa misiona), ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin' ny fiainana, ny fahaleovan-tenan' ny fiangonana isan-toerana (kôngregasiônalisma), ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Ny pentekôtisma dia mitovy amin' ny Hetsika karismatika, nefa nivoatra taloha kokoa (indrindra ny tao Etazonia). Ny Kristiana karismatika, indrindra tamin' ny fotoana niantombohan' ireo hetsika ireo, dia samy nitoetra tsy niala amin' ny fiangonany avy. Manao fiteny tsy fantatra ny Pentekôtista sady mazoto mifady hanina.