![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a8/Palawan_in_Philippines.svg/langmg-640px-Palawan_in_Philippines.svg.png&w=640&q=50)
Palawan (tangoro-nosy)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tangoro-nosy Palawan, izay mamorona ny Faritanin' i Palawan, dia faritany foronin-tangoro-nosy any Filipina izay ao amin' ny Faritra Mimaropa. Io no faritany lehibe indrindra ao amin' ilay firenena raha ny velaran-taniny izay mitotaly 14 649,73 km2 no heverina. Ny renivohitra sy ny tanàna lehibe indrindra any dia i Puerto Princesa izay mivondrona ara-jeôgrafia ao amin' ilay faritany nefa tsy miankina aminy. Amin' ny teny koiônôna izy dia atao hoe Probinsya i'ang Palawan, fa amin' ny teny tagalôga kosa dia Lalawigan ng Palawan.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a8/Palawan_in_Philippines.svg/640px-Palawan_in_Philippines.svg.png)
Ny tangoro-nosy Palawan dia eo anelanelan' ny nosy Mindoro any avaratra-atsinanana sy i Borneo any atsimo-andrefana. Eo anelanelan' ny Ranomasin' i Sina Atsimo sy ny Ranomasina Sulu no misy azy. Ny nosy Palawan (09°30′N 118°30′E), izay manana halava mirefy 450 km asy sakany 50 km sady nosy lehibe indrindra ao, no nakana ny anaran' ny Faritanin' i Palawan.